• TARANJA - NY FOTOPINOANA
  • TARANJA FIKH
  • TARANJA - TANTARAN'NY MPAMINANY
  • TARANJA HADISY
  • TARANJA TAFSIR
  • TARANJA FAHALALAM-POMBA ISLMAIKA
  • TARANJA FITONDRAN-TENA
  • TARANJA FANGATAHAM-BAVAKA SY TONIM-BAVAKA
  • TARANJA SAMIHAFA
  • العربية
  • English
  • Русский
  • Français
  • Español
  • português
  • Shqip
  • română
  • Hausa
  • Kiswahili
  • አማርኛ
  • پښتو
  • Èdè Yorùbá
  • Tiếng Việt
  • دری
  • অসমীয়া
  • Malagasy
  • ភាសាខ្មែរ
  • Wikang Tagalog
  • اردو
  • ελληνικά
  • Pulaar
  • Mõõré
Ny tokony ho fantatry ny ankizy silamo

TARANJA - TANTARAN'NY MPAMINANY

F1 : Inona no firazanan'ny Mpaminany Mouhammad (S.A.W)?

V1 : Izy dia Mouhammad Ibn Abdillahi Ibn Abdoul-Mouttalib Ibn Hashim, avy amin'ny foko Couraich ary Couraich dia avy amin'ireo arabo, ary ireo arabo dia avy amin'ny taranak'i Ismail (A.S), ary i Ismail (A.S) avy amin'i Ibrahim (A.S) tso-dranon'i Allah anie ho azy ireo.

F2 : Iza no anaran'ny renin'i Mpaminanintsika (S.A.W)?

V2 : Amina Binti Wahab.

F3 : Ovina no maty ny rainy?

V3 : Maty tao Madina ny rainy fony izy mbola tao am-bohoka, tsy mbola teraka.

F4 : Ovina no teraka i Mpaminany Mouhammad (S.A.W) ?

V4 : Teraka tamin'ny taonan'ny Elefanta, tamin'ny andro Alatsinainy, Volana Rabiuol-Awal.

F5 : Taiza ny tanàna nahaterahany?

V5 : Tao Makkat.

F6 : Iza ireo vehivavy nampinono sy nitaiza azy akoatry ny reniny?

V6 : i Anabavin-dRainy antsoina hoe : Oummou Ayman.
i Anabavin'i Abou Lahab antsoina hoe :
Thouwiba.
- i Halima As-Saadia.

F7 : Ovina nahafaty ny Reniny?

V7 : Teo amin'ny fahaenina ny taonany no maty ny Reniny, Ka ny Raibeny antsoina hoe: Abdoul-Mouttalib no nitaiza azy taorian'io.

F8 : Iza no niandraikitra azy taorian'ny nahafaty ny Raibeny Abdoul-Mouttalib?

V8 : Maty ny Raibeny rehefa feno valo taona izy (Mpaminany S.A.W), ary ny rahalahin-dRainy antsoina hoe: Abdoul-Mouttalib no niandraikitra azy taorian'izany.

F9 : Ovina izy (Mpaminany S.A.W) no nandeha voyage niaraka tamin'ny rahalahan-dRainy tany SHAMI?

V9 : Niaraka nanao voyage tamin'ny rahalahin-dRainy tany SHAMI izy teo amin'ny faha-12 taonany.

F10 : Ovina nandehanany nanao voyage fanindroany?

V10 : Ny diany faharoa dia nitondra varotr’i Khadija (R.A), ary rehefa tafaverina avy any izy dia nanambady an'i Khadija (R.A), ary teo amin'ny dimy amby roapolo taona izy.

F11 : Ovina no nanavao ny KAABA ry zareo Couraich?

V11 : Nanavao ny KAABA ry zareo Couraich rehefa feno 35 tao i Mpaminany (S.A.W).
Ary noraisina ho mpitsara an'ireo foko Couraich i Mpaminany (S.A.W) rehefa nifanditra ny amin'izay olona hametraka ny vato mainty izy ireo, dia nataony tao anaty lamba ilay vato, ary nasainy naka ny tendron'ny lamba ny foko tsirairay, miisa efatra ireo foko tamin'izany, ka rehefa nampiakarin'izy ireo ilay vato, dia i Mpaminany (S.A.W) no nametraka azy teo amin'ny toerany.

F12 : Firy taona izy no nahazo ny faminaniana? Ary nalefa ho amin'iza?

V12 : Feno Efapolo taona izy rehefa tonga taminy ny faminaniana, ary nalefa ho amin'ny olona rehetra ho mpilaza vaovao mahafaly no sady mpampitandrina ihany koa.

F13 : Inona no zavatra voalohany nanombohan'ny faminaniana?

V13 : Ny nofy marina, ary tsy nahita nofy izy afa-tsy tanteraka izany rehefa tonga ny maraina.

F14 : Nanao ahoana ny toe-piainany talohan’ny faminaniana? Ary oviana no tonga voalohany taminy ny faminaniana?

V14 : Nanompo an'i Allah tao amin'ny lavabato HIRA izy ary efa fanaony izany.
Ka nidina taminy ilay faminaniana, rehefa izy tao an-davabato teo am-panaovana fanompoana.

F15 : Inona ny andininy voalohany nilatsaka taminy tao amin'ny Coran?

V15 : Ilay tenin'i Allah manao hoe : (Vakio amin'ny anaran'ny Tomponao ilay nahary1). (Izay Nahary ny olombelona avy amin’ny vaingan-drà2). (vakio fa ny Tomponao dia fatra mpitsimbinana3). (izay nampianatra tamin'ny alàlan'ny penina4). (Nampianatra ny olombelona izay tsy fantany5). [Sourate Al-ALAQ : 5-1].

F16 : Iza no olona voalohany nino ny faminaniany?

V16 : Tamin'ireo lehilahy : i Abou Bakri Al-Siddiq (R.A), ary tamin'ny vehivavy : i Khadija binti Khouwaylid (R.A), ary tamin'ny zazalahy : i Ali bin Abi Twalib (R.A), ary tamin'ireo notezaina : i Zaid bin Haritha (R.A), ary tamin'ny andevo : i Bilal Al-Habashi (R.A), Tso-dranon'i Allah sy fifaliany anie ho azy ireo.

F17 : Nanao ahoana ny fiantsoana ho any amin'ny finoana silamo?

V17 : Natao mangingina nandritra ny telo taona teo ho eo ny fampielezana, avy eo dia nandidy azy hiantso ny olona ampahibemaso i Allah.

F18 : Ahoana toe-piainan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo nino azy taorian'ny fampahafantarana ampahibemaso ny fiantsoana nataony?

V18 : Tena nihoa-pefy tokoa ireo mpikomy tamin'ny fampijalina azy sy fampijalina ireo mpino silamo, farany dia nomena alàlana ireo mpino handeha hifindra monina any amin'ny AN-NAJASHIOU mpanjaka tao Ethiopie.
Ary niombin-kevitra ireo mpikomy amin'ny fampijalina sy famonoana an'ny Mpaminany (S.AW), saingy narovan'i Allah izy tamin'ny alàlan'ny fiarovana nataon'i Abou Twlaib rahalahin-drainy.

F19 : Iza no maty tamin'ny taona faha-10 nahazoany faminaniana?

V19 : Naty ilay rahalahin-drainy Abou Twalib sy ny vadiny Khadija (R.A).

F20 : Ovina no nitrangan'ny ISRA WAL MIRAJ?

V20 : Tamin'ny faha-50 taonany, ary tamin'io no nandiaina ilay vavaka fanompoana (Swala) in-dimy isanandro.
AL-ISRA : Fiaingana avy tao amin'ny mosquée AL-HARAM nandeha tany amin'ny mosquée AL-AQSWA.
AL-MIRAJ : Dia fiaingana avy tao amin'ny mosquée AL-AQSWA niakatra tany an-danitra ka nihafara tamin'ny SIDRATOUL-MOUNTAHA.

F21 : Ahona no fomba fiantsoan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo olona ivelan'ny Makkat?

V21 : Niantso ireo vahoakan'ny Twaif izy, ary niezaka nanao izany tamin'ny fotoana fivorian'ny olona, ka tonga ireo vahoakan'ny Madina nino an'ny Mpaminany (S.A.W), ary nifanaiky sy nanao velirano fa hiaro azy.

F22 : Firy taona nipetrahany tao Makkat niantso ny olona?

V22 : Nijanona tao Makkat niantso ny olona nandritry ny 13 taona.

F23 : Taiza no nandeha nifindra monina i Mpaminany (S.A.W)?

V23 : Avy any Makkat nandeha any Madina.

F24 : Firy taona nijanonany tao Madina?

V24 : Folo taona.

F25 : Inona avy ireo lalàna nodidian'i Allah taminy tao Madina?

V25 : Nodidian'i Allah taminy ny Zakat, ny fifehezana, ny Hadj, Ny ady masina (Jihad), ny Azan, sy ny ankoatr'izay amin'ireo lalànan'ny Islam.

F26 : Inona ireo ady masina lehibe nataony?

V26 : Ady masina Badri ilay lehibe.
- Ady masina Ouhoud.
- Ady masina Al-Ahzab.
- Ady masina Fathi Makkat (fahazoana tanànan'ny Makkat).

F27 : Inona ny andininy masina farany nidina tamin'ny Coran?

V27 : Ilay tenin'i Allah manao hoe : (Ary matahora ilay andro hiverenanareo any amin’i Allah, ary dia samy homena ny valin'asany avokoa ny tsirairay, ka tsy ho voambaka velively izy ireo). [Sourate-Al-baquarat : 281].

F28 :Ovina no maty i Mpaminany (S.A.W)? ary firy ny taonany tamin'izany?

V28 : Maty tamin'ny volana Rabioul-Awal, tamin'ny taona faha-11 Hijria, ary teo amin'ny faha-63 taony izy tamin'izany.

F29 : Tanisao iza daholo ireo vadin'ny Mpaminany (S.A.W)?

V29 : 1-Khadija Binty Khouwailidi (R.A).
2- Saouda Binty Zam'aa (R.A).
3- Aicha Binty Abi Bakri Swidiq (R.A).
4- Hafsah Binty Oumar (R.A).
5- Zainab Binty Khouzaymat (R.A).
6- Oumo Salama Hindy Binty Abi-Oumayat (R.A).
7- Oumo Habibah Ramlat Binty Abi-Soufyanne (R.A).
8- Djouwayriat Binty Al-harith (R.A).
9- Maimouna Binty Al-harith (R.A).
10- Soafiyat Binty Houyaya (R.A).
11- Zainab Binty Djahachi (R.A).

F30 : Iza daholo ireo zanany?

V30 : -Ireo zanany lahy dia miisa telo :
1- Al-Quasim, ary tamin'io no niantsoana azy ho Aboul-Quassim.
2- Abdallah.
3-Ibrahim.
-Ireo zanany vavy kosa :
1-Fatima.
2-Roquaya.
3-Oumo Kolothoummou.
4-Zainab.
Ireo zanany rehetra dia azony tamin'i Khadija daholo afa-tsy i Ibrahim ihany, ary izy rehetra maty talohan'ny Mpaminany (S.A.W) afa-tsy i Fatima izay maty enim-bolana taorian'ny nahafatesany.

F31 : Lazao endrika voajanahary sy ny toe-batan'ny Mpaminany (S.A.W)?

V31 : Izy dia eo anivonivo sady tsy fohy no tsy lava ihany koa fa eo anelanelany, fotsy fiodirana somary mangalatra mena ny lokony, matevina ny volombavany, tsara ny masony, somary ngeza ny vavany, ary mainty tsara ny volony, ngeza ny sorony, manitra lalandava, sy ny ankoatr'izay amin'ny endrika tsara.

F32 : Inona no zavatra navelan'i Mpaminany (S.A.W) ho an'ny vahoakany?

V31 : Nametraka ny vahoakany izy (S.A.W) tamin'ny sori-dàlana fotsy mazava tsara, ny alina aminy toy ny atoandro, tsy misy miala olona amin'izany afa-tsy hoe rendrika, tsy misy zava-tsoa afa-tsy nolazainy, ary tsy misy zavatra ratsy afa-tsy nampitandreminy.